Nanamarika ny fankalazana ny faha-114 taonan’ny Akademia Malagasy sy ny fanokafana ny taom-piasany 2016-2017 ny fandraisana ireo mpikambana vaovao ao aminy
. Lanonana natao ny alakamisy 27 oktobra teo tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, notarihan’ny mpikambana zokiolona, Pr Razanamparany. Mpikambana Asondrotra ny iray, Mahefa ny iray ary mpikambana Mpifandray ny 23. Anisan’ireo noraisina ho mpikambana vaovao Mpifandray, tao amin’ny Sokajy « Hay fiainana sy Hay fitondra » Atoa Rakotomanana Honoré, Filohan’ny Antenimierandoholona am-perinasa, noho izy nanoratra boky maro sy lahatsoratra tamina revio mihoatra ny 30. Nandritra ity fotoana ity dia nisy ny fanolorana mari-boninahi-pirenena ireo mpikamban’ny Akademia Malagasy. Ny Akademia Malagasy dia ivondronan’ny sokajy efatra dia ny “Haikanto sy Hailaza”, ny “Haifiaina sy haifitondra”, ny “Hairaha fototra” ary ny “Hairaha ampiharina”. Namaranana ny fotoana ny Vela-kevitra momba « Ny lanjan’ny Fiarahamonim-pirenena » sy « Ny Fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tsy fitoviana eo amin’ny Kolontsaina ».
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.