Actualités

AJEEM Madagascar Hanampy ireo tanora mpianatra


  • Alarobia 31 Aogositra 2016

Hanampy ireo tanora mpianatra ny fikambanana AJEEM Madagascar, fikambanana anisan’ny manana traikefa betsaka amin’ny fanoratana boky mifandraika amin’ny fitadiavana sekoly ambony mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra sy hanampiana azy ireo hahafantatra ny lalana tokony halehany aorian’ny fahazoany ny maripahaizana bakalôrea

. Raharinivo Jen no nanoratra ny boky, ahitana pejy vitsivitsy. Ahitana ireo sampam-piofanana ambaratonga ambony misy eto Madagasikara io boky io, indrindra eto Antananarivo renivohitra. Mbola izy ireo ihany koa no nanatontosa ilay hetsika momba ny fanabeazana sy fampianarana antsoina hoe: ”T’ART RA” (Tanora miangaly ny “ART” eto amin’ny Faritra Analamanga), izay adika koa hoe: “Taratra” na tara-pahazavana”. Ho tohin’ireo hetsika efa notanterahin’izy ireo dia hatao etsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely 3 sy 4 septambra 2016 ho avy izao koa ilay hetsika antsoina hoe : Torolalana sy fampahafantarana ny mpianatra izay saika natao ny 27 sy ny 28 mey lasa teo. Hetsika izay eo ambany fiahian’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT