Actualités

AIRTEL M’LAY Nampahafantarina ireo mponina ao Toamasina


  • Zoma 28 Jona 2019

Taorian’Antananarivo dia nampahafantarina an’ireo mponina ao Toamasina indray ny fisian’ilay tolotra Airtel M’lay, karakarain’ny orinasam-pifandraisana Airtel.

 

 

 Filaharam-be namakivaky ny tanànan’i Toamasina niarahana tamin’ireo posiposy no nisantarana ny hetsika izay nahavory olona marobe tokoa. Ny hahafahan’ny mpanjifa rehetra mifandray am-po amin’ireo fianakaviany, ny olon-tiany ary ireo namany akaiky no tanjon’ny Airtel hametrahana indray ny fihavanana Malagasy zary tsy hita taratra intsony tato ho ato noho ny hasarotan’ny fiainana. Tsiahivina fa raha mampiditra fahana 2.000 Ar ny mpanjifa iray dia afaka miantso  mandritra ny roa andro, manana 200 minitra tsy an-kiato. Raha mividy fahana 500 na 1.000 Ar kosa ny mpanjifa iray dia afaka miantso mandritra ny 24 ora miankina amin’ny fotoana hampiasany azy. Mbola hitohy any Mahajanga sy Toliara ny hetsika.

 

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT