Actualités

Airtel Fun Quizz 23 Lasan-dRaholivololona Andriatsilaizina ilay fiara “Ford Fiesta”


  • Zoma 12 Mey 2017

Nifarana tanteraka ilay andiany faha-23 tamin’ilay lalao Fun quizz nokarakarain’ny Airtel Madagascar nanomboka ny volana desambra taona 2016 lasa teo.

 Omaly no notanterahina teny Andraharo ny fizarana loka ho an’ireo tsara vintana. Anisan’ireny Raholivololona Andriatsilaizina, mpandray anjara anisan’ny nahazo isa betsaka indrindra ka nibata ilay fiara Ford Fiesta. Avy hatrany dia natolotry ny Airtel an’ity renim-pianakaviana ity ny fanalahidin’ny fiara tamin’ny alalan-dRamatoa Nathalie Parson. Lasan’izy efatra mianadahy mianaka kosa, dia Ranivoarimanana Laingotiana, Rahajamanana Lalanirina, Miandrisoairma ary Randrianarison Jacques ny môtô, ny milina fanasan-damba, ny fahitalavitra écran plat 32” ary ny lecteur divx. Tsiahivina fa hatramin’ny nanombohan’ilay lalao Fun Quizz andiany voalohany tamin’ny taona 2010 dia efa nihoatra ny 20 isa ireo fiara nozarain’ny Airtel tamin’ireo tsara vintana, raha ny nambaran’i Maixent Bekangba, tale jeneralin’ny Airtel.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT