Actualités

Airbus A 340 nampidirin-dRajoelina Teren’ny Frantsay handoa 101 tapitrisa dolara ny Airmad


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Ny 12 desambra teo no nandeha tao amin’ny Tribonaly ny raharaha mahakasika ny raharaha Air Madagascar, araka ny loharanom-baovaon’ny Jeune Afrique tamin’ny 23 desambra teo. Mitaky volabe 46 tapitrisa dolara fanampin’ny 55 tapitrisa izay misy zana-bola 12 tapitrisa dolara hofana fiaramanidina nampidirin’ny fanjakana tetezamita ny Tribonaly ara-barotra Frantsay, hoy io fampahalalam-baovao io.

 

 

 Manome 101 tapitrisa dolara ny volabe terena halohan’ny Air Madagascar noho ny fampidiran-dRajoelina sy ekipany fiaramadinina roa marika Airbus A340, izay sokajiana ho efa maty kapoka satria saika nisy olana hatrany izany indrindra ny piesy satria raha ny teknolojia dia efa saika ny Boeing amin’ny ankampobeny no ampiasain’ny kaompania maro maneran-tany. Andry Rajoelina no nisantatra azy teto amintsika ny 12 aprily 2012. Sidina faharoa dia efa nisy fahasimbana ny “détecteur d’incendie” tao amin’ny “réacteur”.  Ny bizina sy afera moa nandeha ka tsy norarahiana izay lentan’ny fiaramanidina. Natao fitaovana tamin’ny 2009 ny resaka Air Force One II, fa ity afera iray ity dia mbola mitatao eo an-dohan-dRajoelina sy ny ekipany satria nampidi-trosa sy namotika ny kaompaniam-pirenena, izay orinasam-panjakana. Mety hiteraka fanjavonan’ny Air  Madagascar io afera io, hoy ny Jeune Afrique noho ny trosabe sy ny tsy fanajana ny naoty nifanarahana, izay tsy mba fantatry ny Malagasy akory. Amin’ny 13 febroary 2019 no hitohy any amin’ny Tribonaly Frantsay ny raharaha.

Nangonin’i Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT