Actualités

Air Seychelles Hanao andrana telo volana eto Madagasikara indray


  • Zoma 22 Martsa 2019

Hiverina hitatitra ireo mpandeha hiazo ny Nosy rahavavy Seychelles miainga eto Antananarivo indray manomboka amin’ny 03 jolay ho avy izao ny Air Seychelles.

 

 

 

 

 Na izany aza anefa dia  andrana fotsiny ihany aloha no hataon’izy ireo ao anatin’ny telo volana, izany hoe :  hatramin’ny 26 oktobtra taona 2019  ka raha toa ka betsaka ireo mpandeha, indrindra fa ireo mpizahantany vahiny hitsidika an’i Madagasikara dia hitohy hatrany ny asa. Tanjona rahateo hoy ny ministry ny fitanterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro Atoa  Andriamandranto Joel  ny hampiakarana ireo mpizahantany vahiny ho avy hitsidika an’i Madagasikara hatrany amin’ny 500.000 isa ato anatin’ny dimy taona ho avy. Raha araka ny fantatra omaly moa dia ny andro Alarobia sy sabotsy ihany aloha no hisian’ny sidina ety am-piandohana. Tsiahivina moa fa nanomboka tamin’ny 03 desambra taona 2014 no nanomboka nitatitra mpandeha teto amintsika ny Air Seychelles. Nihatsatra tampoka anefa izany ny 24 aprily taona 2018 noho ny aretina pesta… ary izao niverina izao indray.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT