Actualités

Air Madagascar Tsy misidina intsony ireo Boeing 737 roa


  • Talata 04 Novambra 2014

Miitatra hatrany ny olana mianjady amin’ny Air Madagascar. Mihena andro aman’alina ny isan’ireo fiaramanidina afaka misahana ny zotra anatiny sy rezionaly taty amin’ny ranomasina indianina.

Niato nanomboka ny faran’ny volana oktobra teo ny fisidinan’ireo Boeing 737 roa nofain’ny Air Madagacar tamin’ny orinasa ILFC. Mikarakara ny famerenana ireo Boeing ireo ny kaompania nasionaly ankehitriny ary manana hatramin’ny tapatapaky ny volana desambra hanatanterahana izany. Fantatra anefa izao fa mbola raiki-trosa amin’ny fanofana ireo Boeing ireo ny Air Madagacar. Raha ny re dia tsy navelan’ny tompony handray sidina intsony ny iray tamin’ireo Boeing 737 ireo, ny faharoa kosa misy kojakoja tsy maintsy hosoloina. Mikorontana vokatr’io fahabangana fiaramanidina io ny zotra Air Madagascar na amin’ny zotra anatiny izany na amin’ny zotra rejionaly. Manana Boeing 767 iray nipetra-potsiny tsy nampiasaina efa herintaona koa anefa ny Air Madagacar, nefa hofaina hatrany amin’ny 840 tapitrisa Ariary (400.000 dolara) isam-bolana any io. Nihazakazaka nampiditra Airbus A340-300 anankiroa, efa ela niasana, izay hofaina amin’ny Air France ny mpitondra tetezamita. Izao aza moa dia re fa manambitamby ny hampidirana Airbus A319 ny Frantsay, hanampiana ny Air Madagascar hiala ao amin’ny lisitra be, hono. Dia izao ve sisa no manjo ny Air Madagascar izay mba reharehan’ny Malagasy ? Amin’ny maha kaompania nasionaly azy rahateo dia manana adidy hanala ireo faritra samihafa eto Madagasikara amin’ny fitokana-monina ny Air Madagascar. Ary andraikitry ny foibem-pitantanana ankapobeny (Direction générale) no manao drafitra mikasika izay heveriny fa mahamety ny orinasa. Isabahan’ny politika sy ny kinamanamana loatra ny Air Madagascar ankehitriny ka dia io potika andro aman’alina io. Izao mantsy dia re fa manao ankisisika hampidirana ireo fiaramanidina karazany AVRO RJ85 avy nampiasain’ny miaramila boliviana ny mpitondra ankehitriny. Efatra ireo fiaramanidina ireo, ary hatrany amin’ny iray tapitrisa dolara ny hofany. Manda ankitsirano ny hampiasana azy ireo ny mpiasan’ny Air Madagascar. Mety ho tratry ny tian-kano tsy tian-kano ihany anefa rehefa tsy manana fiaramanidina ka voatery hanofa, na mety hiditra hifaninana amin’ny Air Madagascar tsotra izao ny kaompania LAMIA (Linea Aerea Meridena Internacional de Aviacion) nisy ireo fiaramanidina ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT