Actualités

Air Madagascar Trosa 290 miliara ariary no nailika tao anatin’ny herintaona


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

« Nanefa trosa 290 miliara ariary ny orinasa ana habakabaka malagasy Air Madagascar tao anatin’ ny herintaona, ka mety ho vita tanteraka izany amin’ny martsa 2019 », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Eric Koller.

 

 

Trosa maro tao anatin’ny 20,15,10,5, 2 taona no nezahina nofafana tanteraka. Ny 01 desambra 2017 no nitsiry tamin’ireo mpitantana sy ny fanjakana Malagasy ny fifanaovan-tsonia ara-piaraha-miasa stratejika niaraka amin’ny kaompania Air Austral. Nomarihany fa niisa 11 ny raoplanina ho an’ny Air Madagascar nefa 4 monja no mandeha. Saika nipetra-potsiny izy ireo toy ny  Airbus 340 izay tsy niasa nandritra ny herintaona sy tapany, ATR iray tsy nisy maotera, ny iray kosa  tsy nisy « câble d’atterrissage », Twin Otter… Zava-dehibe no vitan’ny orinasa Air Madagascar, hoy i Eric Koller tao anatin’ny herintaona naha filohan’ny filakevi-pitantanana ahy, indrindra teo amin’ ny fampitaovana satria ny 90%-n’ireo raoplanina dia mandeha avokoa amin’izao fotoana. Mahakasika ny fandroahana mpiasa indray dia nolaviny ary notsipihany manokana fa vao mainka nampiditra mpiasa vaovao tamin’ny taona 2018  noho ny fihatsarana ny zava-misy eo amin’ity kaompania ana habakabaka malagasy ity. Vao haingana dia nampiditra mpiasa maherin’ny 200 ny kaompania, indrindra ho an’ny Tsara Dia. Eo amin’ny fanatsarana ny fampitaovana ihany koa dia nampiditra mpitondra fiaramanidina PNC, mpikirakira ara-teknika entina hampiofanana ireo mekanisianina efa miasa ao aminy. Namboarina ihany koa ny « local technique » mba ahafahan’ireo fiaramanidina eo anivon’ny kaompania Air Austral manao fitiliana ara-teknika eto an-toerana. Tahaka ny fanao isan-taona dia andrasana ny tatitra momba ny fiaraha-miasan’ny Air Madagascar sy ireo kaompania hafa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT