Actualités

Air Madagascar Tra-doza ny fiaraminidina ATR 72 iray


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Nivoaka ny «piste» tamin’ny fotoana niantsonany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina ATR 72 5RMJE an’ny kaompania nasionaly Air Madagascar, ny sabotsy 26 desambra 2015 tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva

 

. Fiaramanidina nanao zotra Mahajanga – Antananarivo izy io. Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Air Madagascar fa olana teo amin’ny tongotr’ilay fiaramanidina na « train d’atterrissage » no niavian’ny loza. Efa noraisina avokoa ny fepetra niarovana ilay fiaramanidina nahafahana mamoaka ireo mpandeha tao anatiny. Fitaintainana no tena betsaka fa tsy nisy naninona ireo mpandeha tao anatiny, izay tsy nambara ny isany. Nilaza ny Air Madagascar fa hanokatra fanadihadiana hamantarana ny tena fototra marina niavian’ny loza.

ATR 72 500 efa fananan’ny Air Madagascar taloha ity niharam-pahavoazana ity. Ny kaompania efa mandalo fahasahiranana ara-bola nefa mbola mitranga indray ny loza. Hisy fiantraikany amin’ny sidina ataon’ny kaompania nasionaly izao fahasimbany izao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT