Misy olana avokoa ireo fiaramanidina Airbus A340 miisa roa an’ny Kaompania Air Madagascar, ka tsy afa-mihetsika.
Ny iray misy fahasimbana nanomboka ny 6 martsa lasa teo, ary ny iray mipetra-potsiny miandry fanoloana maotera. Hisy fikorontanana ny sidina Madagasikara-Frantsa hatramin’ny 23 martsa. Ho an’ny sidina voafaritra amin’ny 11 hatramin’ny 15 martsa, dia mifampiraharaha amin’ny Kaompania Vamos an-dry zareo Espagnol. Tsy misy fiovana ny ora voarafaritra amin’izany. Tamin’ny andron’ny tetezamita moa no isan’ny nampidirana fiaramanidina Airbus miisa 2 efa maty kapoka, kanefa dia isika indray no mbola nitakian’ny Frantsay volabe an-tapitrisany Euros folo taona taty aoriana. Tsy misy hidiran’ny coronavirus izany ny olan’ny Air Madagascar amin’ny sidina mankany Frantsa. Mazava ihany koa fa mbola misokatra ny habakabaka amin’ny sidina maro avy any ivelany kanefa i Lafrantsa, ohatra, dia isan’ireo firenena efa ahiana olona an-jatony voan’ny Coronavirus.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.