Actualités

Air Madagascar Sasatry ny manafoana sidina


  • Talata 04 Oktobra 2016

Mpandeha maro tokony handray ny sidin’ny Air Madagascar no mikatso any amin’ny seranam-piaramanidina samihafa manerana ny Nosy hatramin’ny alakamisy lasa iny.

Sidina maro no foana, ary voakasik’izany manokana ny zotra mampifandray an’Antananarivo sy iny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy iny, Antsiranana, Antalaha, Sambava, Sainte-Marie sy Toamasina. Misy olona marary mafy avy any Antalaha, tokony handray sidina tao Sambava ny tolakandron’ny alahady 2 oktobra 2016, nefa foana tamin’ny ora farany indray ny sidina raha efa nahemotra, ka dia tavela any an-toerana ilay marary. Nangataka fandraisana an-tanana azy ny fianakaviany, nefa voarirarira. Fiaramanidina ATR 72-500 no tokony hanao io sidina io, saingy manana olana teknika. Tokony nanao sidina Antananarivo – Sambava izy io tamin’ny alakamisy dia voatery nijanona tao Toamasina noho ny olana tamin’ny motera raha vao nisidina kelikely. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : inona no mbola ametrahana fandaharam-potoanan’ny sidina sy ivarotana toerana raha toa amina fiaramanidina tsy azo antoka, fa manjary mampijaly ny mpandeha ary mampihena ny fitokisan’ny olona ity kaompania mba reharehan’ny Malagasy ity.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT