Roa herinandro izao no tsy nisy fiaramanidin’ny Air Madagascar tonga tany Antalaha. Tranga izay mahagaga ny any an-toerana,
nefa dia feno hatrany ny fiaramanidina miala any ary misy mpandeha tavela aza fa tsy zaka, araka ny fanamarihan’ny solontenan’ny Air Madagascar any an-toerana. Amin’izao na fiaramanidina madinika toy ny Twin aza tsy tonga any.
An-daniny, voalaza fa mamono antoka ny Air Madagascar ny zotra mankany Antalaha, an-kilany indray dia ny haratsin’ny « piste » no tsy isian’ny sidina any. Mahatsiaro mijaly noho izany ireo mpandeha Maroantsetra, Toamasina, Antananarivo.
Nisy ny fivoriana notarihin’ny lehiben’ny distrikan’Antalaha, nandraisan’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ny mpitantana ny seranana ny talata teo, tsy hanaiky ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.