Taorian’ny torolalana iraisam-pirenena avy eo anivon’ny sampandraharaha eoropeanina misahana ny fifamoivoizana ana habakabaka na ny EASA ho an’ireo kaompania mampiasa ireo
karazam-piaramanidina Airbus A340 sy Boeing 737 misy motera CFM56-5B, CFM56-5C ary CFM56-7B dia nanapa-kevitra ny orinasam-pifamoivoizana ana habakabaka Air Madagascar fa voatery izy ireo manova ireo zotra maharitra ho amin’ny fotoana manaraka. Misy fitsirihana tsy maintsy atao amin’ireo Airbus A340 miisa 2 an’ity kaompania ity, raha ny fanazavana. Mila manao ho laharam-pahamehana ny fitandrovana ny ain’ireo mpanjifanay izahay, hoy ny tompon’andraitr’ity orinasa ity. Efa eo am-pikarohana ny vahaolana mikasika ity olana sedrain’izy ireo indray ity rahateo ny orinasa, raha ny fampitam-baovao ary efa misy ohatra ny zotra izay atao amin’ny alalan’ilay fiaramanidina A 380, izay anisan’ny goavana indrindra eto ambonin’ny tany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.