Actualités

Air Madagascar Mety handroaka mpiasa ?


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Mitsoka mafy ny rivotra ao amin’ny kaompania Air Madagascar. Mety tsy ho lavitra an’izany koa ny fandroahana mpiasa,ankoatry ny mety ho fikitihana ireo fifanarahana efa natao mba ho fanarenana ity kaompania tra-pahasahiranana ity.

 

 Nangataka fanazavana ny amin’ny isan’ny mpiasa mazava sy ny asany avy isaky ny tale eo anivon’ny Air Madagascar mantsy omaly ilay tale jeneraly vaovao Gilles Filialtreault.Ny mba hisorohana ny fandanilaniam-poana amin’ny  fandoavana ny karaman’ny mpiasa  tsy  hitondra vokatra miabo ho an’ny orinasa no antony ijeren’ity tale jeneraly vaovao ity  ny antontan-taratasin’ireo mpiasa tsirairay avy mihitsy. Tsy misy tokoa moa ny tsy mahalala fa isaky ny nisy fiovan’ny mpitantana teo anivon’ny orinasa dia saika nampiditra ny olona akaiky azy avokoa izay tonga. Mahatratra 1 400 ankehitriny ny isan’ny mpiasan’ny Air Madagascar ka ireo no misahana ny fanodinana ny  fiaramanidina  14.Amin’ny ankapobeny dia fihetsika tsy tokony hahagaga ihany ny ataon’ity tale jeneraly ny Air Madagascar ity. Ny mahalasa ny saina dia ny hahazo azy indray raha manala mpiasa izay hitany fa manavesatra fotsiny ny kompania izy. Tsy hisy olona hafa hitsabaka indray ve, indrindra fa raha toa ka havan’olona ambony,  ilay hoesorina ? Ho an’ny  mpiasa  dia tsy misy antony  tsy haneken’izy ireo izay  fanapahan-kevitr’ity  tale jeneraly vaovao ity raha hitany  fa tokony  hanala mpiasa izy fa manaraka fotsiny ny fepetra rehetra.Ho fantatra afaka telo herinandro moa ny drafi-panarenana ny Air Madagascar araka ny nambaran’ny tale jeneraliny.

 


 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT