Mbola mitoetra ny fahasahiranana eo anivon’ny Air Madagascar. Manaporofo izany ny fikarohan’ny mpitantana ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy ity mpiara-miombon’antoka hifanampy
amin’ny fanarenana tsy maintsy hirosoan’ny orinasa taorian’ny fivoahan’ny lisitra mainty tsy nahafahan’ireo fiaramanidiana Malagasy mandalo ny lanitra eoropeanina. Efa mikirakira ny antontan-taratasin’ireo kandida namaly ny tolotra hatramin’ny volana aprily 2016 moa ankehitriny ny orinasa «IOS Partners Inc» sy «TroyAvi Aviation Consultants» izay vatsian’ny Banky iraisampirenena vola. Fanapahan-kevitra goavana noraisin’ny fanjakana Malagasy rahateo ny hivarotra ny 49%-n’ny renivola miasa ao amin’ny orinasa Air Madagascar. Tanjon’ny mpitondra fanjakana amin’ny fitadiavana mpiara-miasa stratezika ny fisorohana ireo olana ara-pitantanana, ara-barotra sy ara-teknika miaraka amin’ny lafiny fitrandrahana ny tsena sy fanatsarana ny fotodrafitrasa. Mampiasa fiaramanidina 10 ary mampitohy toerana 18 ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Malagasy ankehitriny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.