Manomana ny fialany madiodio amin’ny fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika amin’ny kaompania Air Madagascar ny kaompania
Renioney Air Austral, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao vahiny iray dia ny gazety boky Jeune Afrique nivoaka ny 14 febroary lasa teo. Tsy te hampiasa ny volany ao anatin’ny Air Madagascar intsony ity kaompania ity raha nitana ny 44% tamin’ny renivola araka ny fifanarahana 3 taona lasa izay, ka ny CNaPS sy ny Groupe Rajabali, no voatondro fa nandrotsaka 12 tapitrisa euros tao amin’ny Air Austral Invest tamin’izany fotoana. Ankehitriny, tombanana hiditra ho tompona renivola ao amin’ny Air Madagascar ny Groupe Rajabali rehefa lasa eo ny Air Austral raha arak’ity vaovao navoakan’ny Jeune Afrique ity. Raha halalinina ny resaka, tsy te hampiasa ny volany ao amin’ny Air Madagascar ny Air Austral kanefa mpiara-miombon’antoka dia mitady lalana hivoahana. Re siosio moa fa io volan'ny CNaPS narotsaka tany amin’ny Air Madagascar io no voaresaka tamin’ny Filankevi-pitantanana ny janoary lasa teo . Iny no niitatra namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara (IST) ho an’ny Tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha Arizaka Rabekoto Raoul izay ambara fa nibizina tamin’ny volan’ny CNaPS, raha ny siosion-dresaka. Raha ny resaka fahapotehan’ny Air Madagascar, izay tsy maintsy nitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-stratejika hanarina azy, dia vokatry ny tsy fahadiovan’ny fitantanana. Anisan’izany ny tamin’ny 2011 fotoanan’ny tetezamita nampidirana fiaramanidina Airbus A340-300 efa maty kapoka roa avy tamin’ny Frantsay. Atoa Andry Rajoelina no nanao andrana voalohany, ary teo amin’ny sidina faharoa dia efa nisy simba ny « reacteur ». Isika indray no nohelohin’ny Frantsay handoa onitra 46 tapitrisa euros 7 taona taty aoriana ho hofan’ny fiaramanidiny izay toa tsy nijeren’ny fanjakana tamin’izany resaka kalitao, fa mety ny bizina no nahamaika.Izay ny zava-misy fa dia ho hita eo ny mety ho fivoaran’ity raharaha Air Madagascar ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.