Tsy nisy hatramin’izao ny fiantsoana ireo mpiasan’ny Air Madagascar voaroaka tsy ara-dalàna, araka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.
Tapitra avokoa anefa ireo dingana rehetra omen’ny lalàna ahafahana mitaky ny zo fampiharana ny didim-pitsarana. Nanao fanelanelanana ihany koa ireo namana mpiara-miasa fa nandamoka hatrany izany, hoy i Rado Rabarilala. Baiko avy any ambonin’ny rafi-pitantanan’ny orinasa rahateo ny tsy famerenana azy efatra mirahalahy handray ny asany. Ho fitakiana ny fampiharana ilay didim-pitsarana manery ny orinasa Air Madagascar hamerina ireto mpitarika sendikaly ireto amin’ny asany dia nanao fitokonana tetsy anoloan’ny birao foiben’ity orinasa ity etsy Analakely omaly ireto mpitarika ny sendika naaton’ny Air Madagascar tamin’ny asany ireto. « Didim-pitsarana no mamerina anay amin’ny asanay efa ho 10 volana izao saingy tsy mety manatanteraka ny didy ny orinasa », hoy Rabarilala Rado izay mihevitra fa tsy misy n’iza n’iza tokony ho ambonin’ny lalàna. Hanatanteraka «sit-in» amin’ity anio ity ho fiaraha-mientana amin’ny fitakian’izy efatra mirahalahy ho fampanajana ny tany tan-dalàna ireo mpiasan’ny Air Madagascar mitovy fijery amin’izy ireo, araka ny fanampim-panazavana azo. Hitondra fe-tsandry miloko ny sainam-pirenena Malagasy eo anoloan’ny foiben’ny Air Madagascar Analakely sy manoloana ny toerana 13 mey Ivato izy ireo amin’ny 12 ora sy sasany hatramin’ny 1 ora atoandro manomboka anio talata 26 aprily 2016. Noho ny fitaritan’izy ireo ny hetsika fitokoanana sendikaly teo anivon’ny Air Madagasikara moa, tsara hotsiahiviana hatrany no nahatonga ny fandroahana azy ireo izao. Nitory teo anivon’ny fitsarana anefa izy ireo ary nahazo rariny saingy ny Air Madagascar indray no tsy mety mampihatra ny didy, araka ny fanazavana nomen’i Rado Rabarilala omaly. Araka ny fampahafantarana ara-taratasy nataon’ity orinasa ity mantsy omaly dia tsy tokony hahefa ny hampiato ny fanapahan-kevitry ny orinasa ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ka izany no tsy ampiharan’izy ireo azy. Tsy mitombina mihitsy izany, hoy Rado Rabarilala ary tena mibaribary fa faharatsiam-panahy tsotra izao no ao ambadiky ny antsojay atao aminay efatra mirahalahy.
Ramano F sy Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.