Ho avy hanao fanadihadiana mikasika ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar ny iraka avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay higadona eto amin’ny alatsinainy.
Roa andro, talata sy alarobia, no haharetan’ny dian’ity iraka ity eto Madagasikara. Ao anatin’izany no hanadihadian’izy ireo raha fenon’ity kaompania nasionaly ity ireo fepetra hahafahany miala ao anaty lisitraB, tsy nahafahany nisidina ny lanitr’i Eoropa hatramin’ny aprily 2011. Hovaliana mandritra ny fanadihadiana hataon’ireo manampahaizana manokana momba ny fitaterana ana habakabaka any Eoropa ireto ny hoe azo antoka ve ny sidina ataon’ny Air Madagascar. Io ilay antsoin’izy ireo amin’ny voambolana teknika hoe “operate care”. Miankina amin’ireo ny hoavin’ity kaompania nasionaly ity, na hiarindoha na dia ho fefika tanteraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.