Actualités

Air Madagascar Haverina amin’ny tompony ny ATR iray


  • Alakamisy 28 Aprily 2016

Ny eo tsy mivaha, ny olana hafa misosoka ihany. Sasatry ny miarina ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar.

 

Taorian’ny nitrosonan’ilay ATR-72 iray teny Ivato herinandro vitsy lasa izay, ka tsy ahafahany misidina fa miandry fanamboarana, dia fantatra ihany koa izao fa dia haverina amin’ny tompony ny fiaramanidina ATR-42 iray isan’ireo nampiasan’ny kaompania nisahanana ny zotra anatiny. Raha ny fantatra hatreto dia tapitra amin’ny volana aogositra ny fifanaraham-panofana ilay fiaramanidina tamin’ny tompony, ka izay no hamerenana azy. Vao mainka ho sempotry ny fifaninanana araka izany ny Air Madagascar noho ny tsy fahampian’ny fiaramanidina hampiasainy, indrindra amin’ny zotra anatiny manoloana ny fisian’ny kaompania Madagasikara Airways, izay tsy mitsahatra mampitombo isa ny fiaramanidina ampiasainy amin’izao. Amin’ny zotra iraisam-pirenena moa dia efa zara raha misy mpandeha ny Air Madagascar, eo ny fikorontanan’ny sidina ateraky ny fahatarana matetika, fa izao dia miampy ny fahasarotana amin’ny fahazoana “VISA” eo anivon’ny ambasady frantsay ho an’ny mpandeha amin’ny Air Madagascar, raha toa ka mora kokoa izany ho an’ny mpandeha Air France.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT