Actualités

Air Madagascar Fa hanao inona marina i Gilles Filiatreault ?


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Fitaintainan-dava no iainan’ny ankamaroan’ny mpiasa ao amin’ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar manoloana ny zavatra mitranga eo anivon’ny orinasa amin’izao.

Mihena am-pitoerana ny isan’ny fiaramanidina miasa, foana tsikelikely ihany koa ireo zotra nataon’ny Air Madagascar hatramin’izay. Tonga amin’ny dingana fampihenana ny isan’ny mpiasa indray izao ny orinasa. Mametra-panontaniana ny maro manoloana izany, inona marina ny iraka ampanaovina an’ilay kanadianina Gilles Filiatreault, vao notendrena ho Tale jeneralin’ny Air Madagascar ity ?

Mandeha be ny resaka eo anivon’ity orinasa Malagasy ity fa angady tsy mahatapak’ahitra ary tsy manana traikefa amin’ny fanarenana orinasam-pitaterana ana habakabaka araka ny doka natao azy tamin’ny nidirany tao amin’ny Air Madagascar ity vazaha ity, raha zohina amin’ny tantaran’ireo orinasa niasany tany Afrika tany.

Ankehitriny, nadaboka tanteraka ary mikatso ao Ivato ilay Boeing 737-300 na ilay “Air Force One” voalohany nomen’ny filoha Marc Ravalomanana ny Air Madagascar, nefa anisan’ny nanavotra ity orinasa ity tamin’ny fisahanana ireo zotra anatiny. Tokony hividianana motera ilay Boeing saingy tratry ny tsy misy vola lava nefa tokony hiasa dia mikatso ao. Manoloana izany dia re izao fa takian’ny tompony ny hamerenana ny fitaovany any aminy.

Boeing 737-800 iray, ART telo, Twin roa ary Airbus A340-300 roa no hany mba trandrahan’ny Air Madagascar amin’izao. Ny iray amin’ireto Airbus ireto aza nofoanana ny zotra fanaony mankany Azia fa mamono antoka, hono. Dia mihena manaraka izay koa ny vola miditra amin’ny orinasa. Ny tale ara-barotry ny Air Madagascar koa moa vao ny herinandro lasa iny no voatendry. Ny rindrandamina na “organigramme” ho an’ny mpijoloka fiaramanidina sy ny an’ny mpanamory tsy mbola nahazo fankatoavana hatreto. Dia izao tonga amin’ny fanenana isan’ny mpiasa izao ny toe-draharaha, ka ny tsy fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo mpiasa tsy raikitra (CDD, Interim) no voakasika voalohany amin’izany.

Hitohy hatraiza izao fahapotehan’ny Air Madagascar izao ? Re siosio fa hanohana ara-bola hatrany amin’ny 138 miliara ny Air Madagascar ny Fanjakana. Ny tsy mazava dia hoe : trosan’ny Air Madagascar amin’ny Fanjakana ve io sa vola hafa ? Etsy an-kilany dia re ihany koa fa hohavaozina ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Air Madagascar sy ny Air France. Misy ifandraisany amin’ny hampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonambe ny Frakôfônia ve sa hataon’ny Air France ireo zotra nataon’ny Air Madagascar teo aloha fa tsy vitany na nofoanany amin’izao ?


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT