Mingonongonona ny mpiasa eo anivon’ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar ankehitriny.
Hatreto mantsy tsy voarain’izy ireo ny “13ème mois”, ilay karama ambony apanga fandray rehefa faran’ny taona toy izao. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ny mpiasa ny resaka mandeha fa tsy haloan’ny mpitantana io, noho ny antony tsy mazava, na heverina ho resaka fahasahiranana ara-bola lava mpahazo ny orinasa nefa toa tsy nijanona nivaro-pananana ny Air Madagascar tato ho ato izay.
Araka ny filazan’ny mpiasa dia vola alaina amin’ny karaman’izy ireo isam-bolana ihany no miantoka an’io “13ème mois” tokony horaisina amin’izao faran’ny taona io, fa tsy vola hafa loarana amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa akory, ka hampahihitra azy. Koa nankaiza ary ny vola rehefa tsy mbola nozaraina hatramin’izao izay tokony hiatrehan’ny mpiasa ny krismasy sy fetin’ny faran’ny taona ?
Etsy an-kilan’izay dia resaka mandeha be eo anivon’ny Air Madagascar indray koa izao ny fikasan’ilay vazaha kanadianina Gilles Filiatreault, Tale jeneralin’ny Air Madagascar, hampihena ny isan’ny mpiasa ary koa ny hikitika ny “Convention collective”. Nisy fihaonany tamin’ny solontenan’ny mpiasa ny alarobia teo, fihaonana izay tsy nahitam-bokany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.