Vita tanteraka omaly ny tombana ho an’ny Air Madagascar ka amin’ny volana jona 2016 no hahafantarana na ho afaka amin’izay ilay lisitra B na tsia.
Omaly no vita tanteraka ny tomban’ezaka nataon’ireo teknisianina avy amin’ny Vondrona Eoropeanina teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar. Miankina betsaka amin’ny vokatr’io tombana io no ahafahan’ny kaompania nasionaly malagasy hiala ao anatin’ilay “listra B” indray na tsia ka ahafahany hisidina ny lanitr’i Eoropa. Ny lafiny ara-teknika sy ny fampitaovana ny fikojakojana no tena niompanan’ny fanaraha-maso natao. Araka ny vaovao voaray dia amin’ny volana jona no ho fantatra na ho afaka amin’ity “lisitra B” izay nanasazy azy ity ny Air Madagascar na tsia. Raha ny feo mandeha hatry ny omaly teny Ivato dia mahabe fanantenana ny ezaka vitan’ny Tale jeneraly vaovao sy ireo mpiara-miasa aminy ka azo heverina ny hahafaka amin’izay ity fandrarana tsy mahazo misidina ny lanitr’i Eoropa ity.
« Eo ihany ny fitsarana ny fahaizamanaon’ny teknisianina Malagasy izay tsy nisy fiovana firy fa mbola ny fahaizany omaly ihany no fahaizany androany. Ity resaka “lisitra B”ity dia misy ambadika politika ihany ka miankina be dia be amin’ny fahaizan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny orinasa mifampiraharaha ihany no hahafaka na tsia an’io fandrarana io », hoy kosa ny teknisianina iray izay nanaiky niresaka taminay saingy tsy mitonona anarana.
Tamin’ny taona 2011 no nanomboka nilatsaka tamin’ny Air Madagascar io fandrarana miendrika sazy io ka efa am-polony hatramin’izao ny tombana natao saingy tsy nahitam-bokany hatreto. Efa betsaka ny vola lanin’ny kaompania nanakaramana mpisolovava sy manampahaizana Malagasy niady ho an’ny fanalana ity “lisitra B” ity fa tsy nahitam-bokany. Ny vola fotsiny no lany. Dia ho hita eo indray amin’ny volana jona.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.