Nafindra toerana nanamboarana trano manokana hitazonana azy Rtoa Claudine Razaimamonjy, izay nafindran’ny fanjakana Rajoelina etsy Antanimora. Misy gadralava efa nohelohina higadra sy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty dia I Roger Lala Stéphanie,
izay nalaza tamin’ny resaka fakana an-keriny toy ny raharaha Annie sy Arnaud tany Toamasina no antony, hoy ny minisitry ny fitsarana Jacques Randrianasolo. Tsy azo ampiraisina trano ireo, fa sao mifanome loha ao amin’ny resaka vola sy ny asan-dahalo ataon’ny anankiray, ka vao mainka hiteraka korontana ho antsika, ary baiko avy any ambony mihitsy no hanasarahana toerana azy, raha ny fanazavany. Tsy misy toerana natokana ho an’ny vehivavy afa tsy iray ihany rahateo ao, ka izay no nanamboarana ny toerana kely misy mpiambina ho an’ny iray. Misy aza ny karazana loharanom-baovao fa mitaritarika olona hikomy ao i Roger Lala Stéphanie, ka mety hananganana trano manokana ihany koa, raha ny fanazavana hatrany. Efa nalefa tany Antsiranana izy, ary nisy fakana an-keriny indray tany, ka tsy nanaiky ny fanjakana ka namerina azy higadra ao Antanimora ihany. Tetikasan’ny filoham-pirenena rahateo, hoy ity minisitra ity, ny hanamboatra fonja manokana ho an’ireo tena olon-doza ireo ka ao anatin’ny enim-bolana no kendrena hanamboarana azy. Efa nahita toerana hananganana azy, fa miandry ny fanatanterahana sisa. Omaly moa, dia nisy ny fanoloran’ny Vondrona Eoropeanina fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ho an’ny minisiteran’ny fitsarana. Ao anatin’ny tetikasa antsoina hoe: “Ny fanjakana ho an’ny daholobe” hanamorana ny asa, indrindra fa any amin’ny tany lavitra andriana hahafaha-manao fitsirihana ny fomba fiasa sy hiadiana amin’ny kolikoly. Ny birao mpanao fanadihadiana ara-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja no hampiasa azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.