Actualités

Ahiahina kolikoly avo lenta Nosamborin’ny polisy Frantsay i Ahmad


  • Zoma 07 Jona 2019

15 andro tsy hanombohan’ny dingana famaranan’ny fiadiana izay ho Tompondakan’i Afrika eo amin’ny Taranja baolina kitra na ny CAN 2019 no miseho ny tantara.

Nosamborin’ny polisy Frantsay tao amin’ny Hotely Berri ao Paris-Frantsa omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany any an-toerana i Ahmad filohan’ny federasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF, raha ny vaovao naparitaky ny gazety boky Jeune Afrique sy nambaran’ny fampahalalam-baovao vahiny maro. Nanatrika ny kongresy faha-69-n’ny FIFA izay nahalany fanindroany an’i Gianni Infantino i Ahmad no tratran’io fibedana tampoka io. Halain’ny OCLCIFF (Office Central de Lutte Contre la Corruption et les Infractions Financières et Fiscales) am-bavany izy. Nanapaka ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Alemà mpamokatra ny marika Puma ka nanao fifanarahana ambara fa nanomezana vahana ny orinasa Frantsay Technical Steel ny filohan’ny CAF. Nilaza ilay Ejipsianina Amr Fahmy Sekretera Jeneralin’ny CAF efa nesorina fa misy resa-bola nihoatra ahiana ho kolikoly 830 000 (739 000Euros) tamin’io fifanarahana tamin’ny orinasa Frantsay io. Efa namaly an’io i Ahmad ny tapaky ny volana aprily teo. Niaraha-nanapaka ary nangarahara avokoa ny fanapahan-kevitra noraisina, hoy izy. Maro ny fanaratsiana an’i Ahmad nataony ary efa nisy resaka nivoaka hatramin’ny hanonganana azy tsy ho filohan’ny CAF mialoha ny CAN, saingy tsy tanteraka. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha. Ankoatra io, haverina aorian’ny CAN ny lalao miverina eo amin’ny famaranan’ny Champions League aty Afrika hifanandrinan’ny Espérance de Tunis sy Wydad Casablanca taorian’ny korontana nateraky ny VAR (Video Arbitrage). Tsy manaiky an’io ary nitokona teo anoloan’ny hotely nivorian’ny FIFA tao Paris ny mpanohana ny Esperance de Tunis omaly izay midrinkina ho efa nandresy 1-0, ka handefa ny raharaha any amin’ny TAS (Tribunal Arbitral du Sport).

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT