Nihaona tamin’ireo mpandraharaha tao Toamasina ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Rafidimanana Narson sy ny ambasadaoron’i Afrika atsimo Atoa Gert Grobler. “Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Afrikana tatsimo sy Madagasikara” no lohahevitry ny adihevitra nifanaovana naharitra ora telo.
Ho an’Atoa Rafidimanana Narson dia “tsena goavana ho an’ny mpandraharaha Malagasy ny vahoaka 246 tapitrisa ny vondrona Sadc ka izay no anaovantsika izao fitsinjaram-pahefana ekonomika sy fampihavanam-pirenena ara-ekonomika izao…”. Ho an’Atoa Gert Grobler, masoivohon’i Afrika atsimo kosa dia nomarihany fa “eo am-pamaranana ny fiaraha-miasan’ny Comesa sy ny Sadc ny vondrona Sadc izao, ka raha tanteraka izany dia manana mpanjifa 600 tapitrisa hahafahana mampandroso ny orinasa, famokarana, sehatry ny asa, ny mpandraharaha Malagasy”. An-kilan’izay, dia fantatra fa eo am-pamaranana ny fametrahana ny banky fampandrosoana afrikanina tatsimo eto Madagasikara ny afrikanina tatsimo sy ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola entina hanamorana ny famatsiana ny Malagasy amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy hahafahan’ny Malagasy manatsara ny famatsiam-bolany hanamafisana ny fifandraisana ara-barotra ataon’ireo mpandraharaha. Hatreto mantsy, araka ny tatitry ny minisitera, dia nisy fiakarany eo amin’ny 79,476 tapitrisa dolara ny fifandraisana ara-barotra Malagasy afrikanina tatsimo. Na izany aza, misy fatiantoka ara-barotra -100,350 tapitrisa dolara isika noho ny varotra Afrikanina tatsimo mbola ambony eto Madagasikara. Ankoatra izay, hisy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta momba ny angovo izay hahafahan’ny Afrikanina tatsimo manampy hatramin’ny 60% ny vokatra ara-herinaratra misy ankehitriny, fanampiana izay mety hamaha amin’ny ampahany betsaka ny fahorian’ny Jirama ankehitriny. Hisy rahateo ny fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ireo orinasa Afrikanina tatsimo afaka hamatsy izany afaka roa volana eo izay hisian’ny fitsidihana ofisialy an’i Toamasina ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.