Actualités

Afrika atsimo atsinanana Vonona ireo tolo-kevitra maha olona haroso any Torkia


  • Talata 04 Novambra 2014

Notanterahana tao Pretoria tamin’ny herinandro lasa teo ny fihaonana fakan-kevitra momba ny fihaonana an-tampony voalohany mahakasika ny maha olona manerantany ho an’i Afrika tapany atsimo atsinanana ahitana ireo fikambanana malagasy tahaka ny Unocha, Bngrc

Saf/Fjkm ary ny Fondation Telma izay nampahafantatra ireo hetsika sosialy sy mahaolona notontosaina teto Madagasikara. Ny Fondation Telma, mpiantsehatra mendrika 2012-2013 rahateo no sehatra tsy miankina voafidy hisolotena ny faritra Afrika atsimo atsinanana ao anatin’ny komity mpitantana mpanomana ity fivoriana iombonan’izao tontolo izao ity. Efa niomana hatramin’ny volana aogositra 2014 isika eto Madagasikara tamin’ny fanangonan-kevi-pirenena in-droa miantoana momba ireo lohahevitra efatra hodinihana any Torkia amin’ny taona 2016 dia ny fahombiazana maha olona, ny fitantanana ireo tandindon-doza sy fampihenana azy ireo, ny valin’ireo filan’olombelona manoloana ny fifanolanana ary ny fiovana amin’ny alalan’ny fanatsaràna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT