Actualités

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy


  • Alarobia 04 Desambra 2019

May kila forehitra ny ampahany amin’ny tranombarotra goavana Galerie Mialy etsy Behoririka ampitan’ny mpaninjara solika Shell omaly hariva.

 

 

 

 Tokony ho tamin’ny 6ora sy fahatelony teo no niantombohan’ny firehetana, izay tsy fantatra mazava ny antony. Tao amin’ny rihina faharoa no niantombohan’ny afo. Raha ny fahafantarana azy, dia saika toeram-pivarotana no hita ao anatin’ity toerana ity, izay nisy ny rotiky ny afo, fa nisy kosa tsy voakitika. Nidedaka tanteraka nijoalajoala nanaka-danitra ny afo, izay namotika tsy nisy noraisina ny entana samihafa, ka ana miliara any no tomban’ny fahapotehana. Ny irariana dia misy fiantohana ara-dalàna (assurance) ny trano sy ireo mpandraharaha tao anatiny ka mba mety hisy ny fanonerana ho an’ireo lasibatra. Tonga teny an-toerana moa ny mpamonjy voina nanao izay azo natao nifehy sy namono ny afo, izay naharitra ihany. Olana amin’ireo tranombarotra goavana sasany na fotodrafitrasa lehibe eto amintsika ny tsy fanarahana ny fenitra amin’ny resaka fiarovana sy famonjena (norme de sécurité) raha sendra misy ny loza tahaka izao, antony goavana mampananosarotra ny famonjena sy ny fifehezana azy. Ankavitsiana ireo ahitana ireny “bouche d’incendie” hahafahana mitarika na manafatsintsitra avy hatrany ny rano hahafaha-mamono ny afo ireny. Tsy vao izao fa efa nisy fotoana nahamaizana toeram-piantsenana lehibe tahaka izao teny Behoririka, toy ny tranombarotra  Venic ny taona 2011, Golden center ny volana desambra 2015, ny Building Ramaroson izay nahamaizana toeram-pivarotana maro ny volana mey 2018,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT