Lasa any Singapour nanomboka ny 17 mey teo ny minisitry ny tontolo iainana Alexandre Georget, ary hiverina eto ny zoma 24 mey 2019.
Nitsimbadika mantsy ny rasa mahakasika ny raharaha boaderozy avy aty Madagasikara saika haondrana tany Sina kanefa tratra tao Singapour tamin’ny taona 2014. Miisa 27 740 ireo ary mitentim-bidy 50 tapitrisa dolara. Ny taona 2015, nohelohin’ny fitsarana tao Singapour higadra 18 volana sy onitra 500 000 dolara ilay mpandraharaha sinoa Wong Wee Keong, ary 500 000 dolara ihany koa ho an’ny orinasany Kong Hoo. Nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony ilay mpandraharaha, ka nafahan’ny Fitsarana madiodio i Wong Wee Keong ny 09 aprily lasa teo. Naverina aminy ireo andramena 27 740 taorian’ny fanefany ny saram-pitobian’ny entana tao Singapour. Lasany ambongadiny izany io hatreto. Izay no heverina ho anton-dian’ity solontenam-panjakana ity satria heverina ho mifanohitra amin’ny tokony ho izy ny zava-misy, ka miditra an-tsehatra ny fanjakana Malagasy. Ny minisitra Anthèlme Ramparany dia efa nanamarina sy nilaza fa ara-dalàna ny fanondranana ary nisy mihitsy ny fitarihany delegasinona nankany Singapour tamin’izany. Nifanohi-kevitra tamin’izany i Beboarimisa Ralava taty aoriana. Nilaza hanao fitoriana « Plainte contre X » ho an’ireo niray tsikombakomba tamin’i Wong Wee Keong indray ny minisitra Ndaimanajara Johanita ny mey 2017,… Tsy hita izay tohiny, ary io mifoha io ka andrasana ny fivoarany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.