Actualités

Aferana basy ao Antsirabe Olona 3 voasambotry ny polisy


  • Zoma 28 Novambra 2014

Miparitaka tokoa ny basy eran’i Madagasikara ary tsy mbola fantatra ny tena fiavian’izany hatramin’izao

Olona telo indray no saron’ny polisim-pirenena nikasa hivarotra basy tao Antsirabe tamin’ity herinadro ity ka natolotra ny fampanoavana. Raha ny nambaran’ny kaomisera Alain Ramiaramanana dia nitoby tamina hotely iray tao Antsenakely ireto olona ireto ary nivezivezy nitady mpividy ity basy ity. Nisy ny nanome vaovao ny polisy ary napetraka ny vela-pandrika ka fantatra fa 6 hetsy ariary no naharaikitra ny vidiny. Basy vita amerikanina karazana  “Révolver” voasokajy ho kilasy faharoa ilay izy niampy bala iray. Nosamborina avy hatrany ireo olona telo mianadahy niketrika ny saika hivarotra izany. Hatramin’ny fahavitan’ny fanadihadiana dia tsy nanambara ny nahazoany ilay basy ireto olona ireto ka any amin’ny fampanoavana indray ny tohin’ny fanadihadiana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT