Actualités

Afera maizina 2009-2014 Boaderozy 4,5 miliara dolara no niondrana


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Mahatratra 13 000 kaontenera raha kely ny boaderozy voalaza fa naondrana avy eto Madagasikara ny 2009-2014.

 

 

 Raha atao kaonty ambany, dia 16 dolara/kg eo ny vidiny. 22 taonina eo ny iray kaontenera, izany hoe manome 286 000 taonina (286.000.000kg) izany nandritra ny 5 taonan’ny tetezamita, ary mety mihoatra lavitra be an’io aza. Manome 4.576.000.000 dolara Amerikanina (16 016 000 000 000Ar raha 3500Ar ny iray dolara). Olom-bitsy no tena nisitraka sy misitraka mivantana izany. Miisa 7 eo no voalaza fa tena atidoha mivantana ankoatra ireo mpiara-miombon’antoka marobe ao anatin’ny tambajotra. Raha io sora-bola io, tsy mila mitrosa sy mandadilady amin’ny mpamatsy vola intsony i Madagasikara, fa hahavitana zavatra maro be, toy ny “autoroutes” sy ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara io. Tsy misy olon-tsotra afaka hanondrana boaderozy amin’izao fotsiny fa na manana fahefana ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana na miray tendro amin’izy ireo. Tsy atao mahagaga raha misy mpitondra ambony teto amin’ny firenena sy olona akaiky azy tena niroborobo fatratra tao anatin’ny fotoana fohy ny hareny. Ry Mbola Rajaonah sy ry Eddy Maminirina sy izay mety hosamborina atsy ho atsy ihany no any am-ponja fa misy tsy voakitika eo izany. Domina tapany handoa erany amin’ny fizarana vola any anaty fifidianana ny olona avy eo, dia azo ny fahefana ary mitohy sy mety mivelatra ny afera. Hanao sarintsarim-pampandrosoana kely, dia tapina ny masony fa ny fomba fitantanana eto dia feno tsy fangaraharana sy afera maloto. Misy ny fanamarihana sy fanontaniana ataon’ny mpandinika amin’izao hoe: sao dia mba avy amina aferana boaderozy na nividianana ireo fiara tsy laitram-bala sy angidimby nampidirin’ny fanjakana, izay raha ny lalàna dia misy antso tolo-bidy 15 andro raha eto an-toerana ary 45 raha iraisam-pirenena saingy tsy nisy ? Mandeha ny resaka fa avy any Singapour sy Hong Kong izay ao anatin’ny “Zones d’échanges et Paiement en Dollars” no nandoavana ny vidin’ireny satria tsy afa-miditra sy miasa any Eoropa ny volabe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT