Ny volana novambra no tonga teto i Eddy Maminirina voarohirohy tamina fanondranana boaderozy tamin’ny taona 2013-2014 ka nitsoaka tany am-pita kanefa aty amin’ny febroary 2019 vao nosamborina.
Tsy nody sy niverina fahatany an-tanindrazana izy, raha tsy efa nahazo toky fa tsy hohenjehina, saingy nitsimbadika ny tantara. Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka tany Toamasina ny 29 novambra, ary tsy nisy olana mihitsy na dia efa fantatra izao fa nanao ratsy izy, araka ny fanenjehan’ny Fitsarana. Mpitsara sady mpahay lalàna izao ny Mpitsara Idealson no miaraka aminy tamin’ny fahatongavany tao Toamasina ary inoana fa mahalala tsara fa olona nokarohina i Maminirina Jean Eddy. Anisan’ireo mpitsara mpiaro azy sy mpiray afera aminy ve ity mpitsara ambony ity ? Raha mitombina izany, dia midika ho fialokalofana amin’ny afera ny nisafidianana nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany satria samy nanao izany na i Maminirina Jean Eddy na ny mpitsara Idealson. Niteraka adihevitra ny fampisehoan’ity mpitsara ity nivantana ny fironan-keviny tamin’ireny fanangonana ny voka-pifidianana ireny. Tsy nahavita afera samirery izany i Maminirina Jean Eddy fa misy mpiaro, misy mpandraharaha matanjaka na mpitondra tao an-damosiny satria olona manana mpaniraka sy mpiaro matanjaka no sahy miditra amin’ny fanondranana an’io. Maro ireo re siosio fa mety mbola hosamborina noho ity raharaha ity ato ho ato ka asa na ho anisan’ireo ny Mpitsara Idealson izay Tale nisahana ny ara-pitsarana teo anivon'ny fiadidian’ny Repoblika teo aloha, ary Tale Kabinetran’ny minisitry ny fanatanjahantena amin’izao ? Nalentika ve i Maminirina Jean Eddy sao mamoaka ny tsiambaratelo ? Heverina fa tsy hanaiky hizoga irery ny afera niaraha-nanao izy, ka olona maromaro niray tendro taminy no mety hiara-kilentika aminy, toy ny depiote teo aloha iray izay namadika palitao lasa niaraka amin’ny MAPAR, minisitra sady depiote teo aloha iray,… Raha ny loharanom-baovao, dia efa naiditra am-ponja ny 12 janoary teo ny sekretera manokan’ny minisitra teo aloha Anthelme Ramparany noho ny raharaha manodidina ny resaka boaderozy. Maro ny mpanao afera mihorohoro !
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.