Actualités

Afera CEG Analamahitsy Tsy any am-ponja akory ilay atidoha ?


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Misy resaka mivoaka amin’izao fa tsy migadra any am-ponja velively ilay heverina fa tena atidoha izay voarohirohy tamin’ny raharaha famarotana ny tany misy ny CEG eny Analamahitsy. Anisan’ireo naiditra am-ponja vonjimaika izy io.

 

 

 

 Andrasana ny fanamarinana na fandisoana izany, fa raha ny loharanom-baovao iray, dia nisy olona ambony ao anaty fanjakana nanao fanelanelanana sy niaro mafy azy io, ka izay no tsy maha any am-ponja azy. Toe-javatra mety hitranga ihany koa ny fiverenana tsindraindray manao « pointage » any am-ponja. Fahita matetika eto amintsika ny tahaka izany noho ny mety ho fisiana fidirana an-tsehatra (intervention) ataona olona ambony manam-pahefana. Ny 15 jona 2019 teo isika teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, dia namoaka lahatsoratra manoloana ny fisiana loharanom-baovao milaza fa efa any andafy ireo zanaka jeneraly tompon’antoka tamina herisetra, fanambanana basy, teny mamoafady,… natao tamina mpisolovava teny Antanimena ny 01 desambra 2018. Tsy nisy manampahefana nijoro sy nandiso izany, izay mety ho azo adika fa efa navotsotra tokoa izy ireo. Mety nisy fifanarahana tany ho any. Ny lesona azo tsoahina dia ny hoe: toa tsy natao ho an’ny manan-katao sy olona akaiky olona ambony ny lalàna. Andrasana izany ny fanazavana ataon’ny manampahefana amin’ny fanamarinana na fandisoana ny loharanom-baovao milaza fa tsy migadra araka ny tokony ho izy akory ilay Tale ara-bola teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina noho ny fidirana an-tsehatra nataona olona ambony iray eto amin’ny firenena.Im-betsaka no niteny sy nanizingizina ny filoha Andry Rajoelina fa hiady amin’ny kolikoly ary hosaziana araka ny lalàna velona izay rehetra voamarina fa meloka na iza na iza..koa dia andrasana ny ho tohin’ity raharaha iray ity izany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT