Actualités

Afera boaderôzy Tsy afa-bela i Anthčlme Ramparany


  • Alatsinainy 29 Febroary 2016

Raha mbola salama saina tsara sy manam-panahy ihany ny mpitondra fanjakana eto dia tokony hahay hanaja tena ka hifona amin’ny vahoaka

 

Malagasy tahaka ny nataon’ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina tamin’ny Fjkm. Efa izao tontolo izao no mahafantatra fa misy mpitondra ambony eto Madagasikara mihitsy manao asana mpanera sy mpanelanelana amin’ny trafikana boaderozy, natsikafon’ny raharaha bolabola 30 000 isa tratra any Singapour ny marina rehetra.

Minisitra tao anatin’ny governemanta Kolo Roger no niaro fatratra ny mpandraharaha namoaka ireo boaderozy ireo teto Madagasikara tamin’ny 2014, dia Atoa Anthelme Ramparany minisitry ny tontolo iainana tamin’izany fotoana ingénieur agronome izy, zanaky ny faritra SAVA ary re fa akaikin’ireo mpandraharaha amin’ny resaka boaderozy any amin’iny faritra iny. Azo hanaporofoana izany ny e mail nalefany tany Singapour sy ny nandehanany tany mihitsy nilaza fa nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna hanondrana hazo sarobidy io mpandraharaha io. Efa tamin’ny 2012 anefa no nambara fa tsy azo atao intsony ny manondrana hazo sarobidy. Vaky am-batolampy ity ny afera maizina satria nohetsehan’ny fitsarana any Singapour indray ny raharaha ka hotsaraina amin’ny aprily 2016. Raha ny tokony ho izy dia tsy afa-bela amin’ity raharaha ity ny minisitra Anthèleme Ramparany na inona na inona fiarovan-tenany ary fahendrena ho azy ny mametra-pialàna ho fanombohana ny fanetren-tenany raha manana izany izy. Tsy afa-bela tahaka azy koa ny praiminisitra teo aloha ny Dr Kolo Roger satria tsy azo inoana hoe tsy fantany ny zavatra nataon’ity minisitra teo ambany fiahiany ity. Ary na ny filoha Hery Rajaonarimampianina koa aza dia ratsy endrika amin’izao raharaha izao ka tokony ho sahy hanao fanambarana miezinezina sy sahy handray andraikitra fa tsy miala bala isaky ny mihetsika.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT