Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ireo bolabola 30 000 isa tratra tany Singapour ka afaka noho ny fisalasalana ilay orinasa Jaguar express logistics mpanafatra ny entana, izay teratany Sinoa no tompony.
Niala tsy ho vavolombelona tamin’ity raharaha ity ny fanjakana Malagasy ka izay no mety nahatonga io didim-pitsarana io. Hafahafa ny fandehan’ny raharaha , ary toa mamofompofona kolikoly avo lenta, misy rahateo ny mpitondra ambony voatonontonona dia io nivoaka io ny didy manafaka ilay mpanafatra ary mety hampangina tanteraka ny ambiny rehetra.
Manjavozavo tanteraka
Ingahy Anthèlme Ramparany izay minisitry ny tontolo iainana tamin’izany fotoana (2014) mihitsy no nilaza fa ara-dalàna ireo hazo ireo. Nanamafy aza ingahy minisitra tamin’izany fa nitarika delegasionina tany singapour ny volana desambra 2014 nanamarina ny maha ara-dalàna azy. Nandiso ny maha ara-dalàna io kosa ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny janoary 2016 ary nohamafisin’i Beboarimisa Ralava minisitry ny tontolo iainana taorian’i Anthèlme Ramparany. Roa volana taorian’io dia nongotana tamin’ny toerany ingahy Jean Ravelonarivo. Nesorina tao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana ihany koa i Beboarimisa Ralava ka nosoloina an’i Dr Ndahimananjara Johannita izay tsy re feo ankehitriny. Nitsidika 3 andro tany Singapour ny Filoha Rajaonarimampianina ny tapaky ny volana mey 2016, ka asa na fifanandrifian-javatra fa dia nahemotra ilay fitsarana ka io nivoaka omaly io ny didy. Ny fitsarana Malagasy minia mangina kanefa maro ireo tokony hohadihadiana toa an’Atoa Anthèlme Ramparany, Jean Ravelonarivo ... Ny raharaha Bekasy efa nanjavona ary izao dia navotsotra koa ny boaderozy tany Singapour. Aiza ho aiza ilay fanambaran’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary 2014 fa ataony vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fanondranana ny harem-pirenena ? Ny lalàna izao anefa no milaza fa tsy azo aondrana ny bolabolana boaderozy ka nahoana no niala bala tsy nety nanao vaolombelona nandritra ilay fitsarana ny fanjakana Malagasy ? Mampiahiahy ity tranga ity satria toa notsotsorina fotsiny ny raharaha mahakasika harem-pirenena. Inona ary no tena nitranga ? Nisy fifanarahana miafina ve teo amin’ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara sy ny any Singapour ? Ahoana ny momba ireto bolabola 30 000 ireto ? Amidy any Singapour ve dia ahoana ny fampodiana ny vola azo sa hanjavona tsimoramora indray koa ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.