Actualités

Afera boaderôzy any Singapour Minisitra 2 nesorina sao manahirana ?


  • Sabotsy 16 Aprily 2016

Nivoaka iray andro mialoha ny daty (16 aprily) voatondro fa hanombohan’ny fitsarana any Singapour momba ireo boaderôzy avy aty

 

Madagasikara saika aondrana an-tsokosoko ho any Hong Kong ny anaran’ireo pikambana ao amin’ny governemanta. Azo antoka fa tsy fifanandrifian-javatra fotsiny fa misy antony manokana ny tsy nitazonana intsony ny minisitra mirahalahy isany Beboarimisa Ralava minisitry ny tontolo iainana teo aloha sy Anthèlme Ramparany, minisitry ny fiompiana teo aloha. Ny voalohany aloha raha araka ny tsiliantsofina re dia tsy nahavita ara-potoana ny asa tokony ho nataony tamin’ny ady amin’ny fanondranana ity hazo sarobidy ity, mety mbola tanora saina loatra koa angamba ingahy minisitra ka tsy naharaka ny sangodimpanina politika tao anatin’ity aferana boaderozy ity. Ny faharoa kosa izay efa niaiky fa nankany Singapour noho io resaka boaderôzy io dia voailika tsy nisy adivarotra satria misy zavatra manjavozavo ihany ao ary tena maro be ny fanakianana nahazo azy, izay raha mitohy dia tena nanaratsy endrika ny governemanta sy ny fitondram-panjakana tamin’ny ankapobeny mihitsy ka fahendrena ho an’ireo mpitondra ny nanilika avy hatrany an’i Anthèlem Ramparany. Raha fehezina dia misy ifandraisany amin’ny raharaha hazo sarobidy ny nanesorana azy mirahalahy ireto tao anatin’ny governemanta.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT