Nambaran’i Maharante Jean De Dieu, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina fa lasibatry ny « sonia halatra »
izy amin’ny raharaha vola 6 miliara Ariary tao amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication) iampangana azy. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny IGE (Inspection Générale de l'Etat) ka nahasaringotra azy. « Gaga », aho hoy i Maharante satria « tsy mandalo teo imasoko ny atontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany ». « Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina ». Tsotra ny famoaham-bola FDTIC (Fonds pour le Développement des Technologies de l'Information et de la Communication) avy ao amin’ny ARTEC satria « sonian’ny minisitra sy Tale jeneralin’ny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona na ohatrinona. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF (Titre d'Engagement Financier). Nohararaotin’ny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy mampandre ahy », hoy i Maharante Jean De Dieu. Nanondro Karana iray, mpandraharaha nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny fanamboarana « Centre d’Applications pour le Développement Numérique » eny Antanetibe Ivato izay « tsy mety natombony mihitsy noho ny antony tsy fantatra » sy ny « mpiray tsikombakomba aminy tao amin ny ministera » ho « nahavita izao heloka bevava izao » ity minisitra ity. Mino aho, hoy ity farany fa « 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na “signature scannée” no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany io ». Ambaran’i Maharante fa « nitondra ny vola tsy toko tsy forohana nandositra any Dubai » io Karana mpandraharaha io. Any amin’ny zanany any Paris, Frantsa kosa ity Minisitra teo aloha ity amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.