Na ny mpikambana eo anivon’ny Holafitra ny mpanao gazety (OJM) na ireo mpanao gazety mpanoratra sy mpandinika ara-politika (Achropol) na ny ankabeazan’ireo mpitantana haino aman-jery dia tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Filoha amin’ny hampanankery ny lalàna mifehy ny serasera.
Na dia misy aza ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hisy ny sehatra hatsangana hoenti-mandinika ny fampiharana izany dia efa nanambara ny mpanao gazety mivondrona ao amin’ny Hetsika momba ny fanalalahana maneho hevitra fa tsy handray anjara amin’izany. Fampiadiana sy fampizarazarana ny mpanao gazety mba hamotehana ny fahalalahana haneho hevitra ny zava-misy ka tsy hanaiky lembenana amin’izany ireo mpanao gazety maro an’isa. Hentitra i Didi Ratsimbazafy, Filoha lefitry ny Holafitry ny mpanao gazety fa tsy mahasolotena ny mpanao gazety ara-dalàna miisa 1253 ireo mpanao gazety vitsivitsy nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny harivan’ny 23 aogositra. Mitohy izany ny fitakiana ka ny talata ho avy izao dia hisy sahady ny famerenana ny radio “Miara-manonja”. Ahiana ho tonga amin’ny firotsahana an-dalambe indray izao toe-draharaha izao raha miziriziry ny mpitondra satria efa nanambara ny mpanao gazety fa afa-nenina amin’ny fanjakana. Ny fiarahamonim-pirenena etsy an-kilany milaza ho diso fanantenana amin’ny fihetsika mikiry sy fanapahan-kevitry ny mpitondra. Maro ihany koa no milaza fa efa endriky ny jadona ny toe-draharaha satria tsy ny mpanao gazety ihany no voageja. Hitohy izany ny fifandroritana, ary mety ho gidragidra lava eto, tsy hisy fitoniana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.