Mamoa-tsampona foana ny ankamaroan’ireo fiangonana sekta eto amintsika tato ho ato.
Tany Ampasikibo Toliara, ny alahady teo, nisahotaka ny iray fiangonana fa noravana olona iray milaza ho tompon-tany ny fotoam-pivavahana tamina fiangonana zandriny iray tany an-toerana. Teo am-pitoriana teny indrindra ny pasitera no nitranga ny fanalam-baraka. Nosintonin’ilay mpino tsotra ny « micro » teny an-tanan’ilay mpitondra fivavahana tery amin’ny alitara dia raikitra ny famingavingana sy teny tsy faneho masoandro. Ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana no nampitony ny raharaha. Pasitera hafa tao an-toerana no voatery nanohy ny fivavahana fa ilay voalohany tsy nahazo nampivavaka intsony. Araka ny vaovao voangona, ady tany efa hatry ny ela teo amin’ingahy pasitera sy ny mpino iray ao amin’ity fiangonana ity no fototry ny olana, satria samy milaza ho tompon’ny tany izay iorenan’ity fiangonana ity daholo ny roa tonta.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.