Actualités

Ady tany tao amin’ny fokontany Antanimalandy Fianakaviana 120 tsy manan-kialofana


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Trano miisa 52 tafo no tsy maintsy narodana tao amin’ny fokontany Antanimalandy noho ny olana teo amin’ireo mponina ao sy mpandraharaha iray. Raha ny fantatra dia manana taratasy ara-dalŕna milaza fa an’ireo mponina ao amin’io fokontany io ny tany izay misy azy ireo izao

Taty aoriana anefa dia nisy ny didy nivoaka tsy fantatra fa tokony hiala eo amin’io toerana ao amin’ny fokontany Antanimalandy Sirasira ireo mponina izay manana trano ao ao anantin’ny valo ambin’ny roapolo ora. Tsy niala anefa ireo olona. Tonga tany an-toerana vatan-dehilahy miisa folo nitondra fitaovana maro entina andravana ny trano niaraka amin’ny vadin-tany. Tsy afaka nanohitra ireo fokonolona tao an-toerana ka noravan’ireto farany ny trano nisy azy ireo. Vokany, fianakaviana miisa 120 mahery no tsy manan-kialofana. Raha ny fanazavana azo dia misy disadisa eo amin’ireo olona manana tany ao amin’io fokontany io sy ilay mpandraharaha ka izay no anton’ny fandravana. Tsy manana trano hipetrahana anefa ireo fianakaviana sahirana ireo ka eny amoron-dranomasina izy ireo no mipetraka ary ahiahina ho tratran’ny fiakaran’ ny ranomasina. Manao antso avo amin’ ny fanjakana mahefa ireo mponina traboina ireo mba hijerena ny toe-javatra mahazo azy ireo izao. Tranga mateti-piseho ity fandravana trano tsy ara-dalàna manerana ny nosy. Ireo mpanam-bola no matetika manao azy io ka manao tsindry hazo lena ny vahoaka madinika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT