Actualités

Ady tany Misy miketrika OPK tao Toliara ?


  • Talata 04 Novambra 2014

Omaly tany Toliara, raha nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy ireto ampahan’olona milaza ho tompon’ny tany ao Tanambao Morafeno, nanararaotra ny fahatongavan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny fananan-tany tany an-toerana, dia tsy kely lalana ny ratsy manararaotra ny ady tany mirefy 46 a 18 sa ifandrorotan’ny fikambanana «Khoja Shia Isnachery»

» izay manana titra sy taratasy ara-panjakana ara-dalàna sy ireo milaza fa tompon’ny tany. Misy andian’olona manararaotra ny zava-misy, ka miketrika OPK (opération Karana), te hamerina ny 6 martsa, hono. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ingahy minisitra, dia nilaza fa «tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana, ka aleo mifandamina satria saro-pady ny fiarahamonina».

 

Fivadiham-pitokisana

 

Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’Atoa Sylvain Robert (Bera), Olobe ao an-tanàna dia nangataka tamin’ny fikambanana «Kohja» hanorim-ponenana teo ny ray aman-drenin’ireo ampahan’olona milaza ho tompony tany ankehitriny. Nisy ny fifanarahana tamin’izany : «Rehefa misy ny ilan’ny tompony ny tany dia miala ny mpangataka». Tsy niraharaha ny fifanarahana nisy tany aloha ny taranaka sasany taty afara. «Ilain’ny fikambanana hanitarana ny sekoly «Memorial school» io tany io. Nisy ny marimaritra iraisana neken’ny rehetra, fa ireto olom-bitsy ireto no midrikina, na dia notambazana vola ny fialan’izy ireo», hoy Atoa Anil, filohan’ny «Khoja».

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT