Actualités

Ady tany Hatramin’ny Karana no mifandona amin’ny Filatex


  • Alatsinainy 24 Novambra 2014

Miitatra manao tohivakana hatrany ny ady tany mahavoatonona ny orinasa Filatex eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Taorian’ny teny Ankadimbahoaka izay tsy mbola milamina hatramin’izao dia mipoitra koa izao ny eny Ambodivoanjo, Boriborintany faha-5. Ao amin’ny fokontany Analamahitsy Farango ny marimarina kokoa, izay mahakasika ny “Villa Sergio”. Tany manan-tompo sy manana titra ara-dalàna 69.278-A izy ity, nefa lasibatra amin’ny asa fanorenan-trano ataon’ity orinasa ity eny an-toerana. Mbola mandeha eny amin’ny fitsarana rahateo ny raharaha, ary efa nanaovan’ny tompon’ny tany izay teratany karana indo-pakistaney, tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy, fanohanana teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Mbola narahin’ilay tompon’ny tany taratasy, tamin’ny 19 novambra 2014, mampahafantatra ireo mpanjifa fa tsy an’ny orinasa Filatex ny tany anatanterahany ny tetikasa “Turon” fa mbola eny amin’ny Fitsarana nomboka tamin’ny janoary 2014, ka mitaky ny hivoahan’ny marina izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT