Actualités

Ady tany etsy Antanandrano Mampiady ny Fitsarana


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Nitsimbadika ny raharaha ! Antontan-taratasin’ady efa namoahan’ny Fitsarana an-tampony didy no niverenan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany namoahana didy indray, nefa raharaha iray ihany.

Tany ifanolanan’ny tompon-tany sy orinasa Telma etsy Antanandrano izy ity. Efa nisy didy fanafoanana navoakan’ny teo anivon’ny Fitsarana an-tampony tamin’ny taona 2012 mikasika azy io taorian’ny nampandalovana ny raharaha tamin’ilay antsoina hoe PIL (Pourvoi dans l’Interet de la Loi). Fantatra indray anefa izao fa nisy didy hafa nivoaka teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo manafoana an’io. Didy izay mifanohitra ihany koa amin’ny didim-pitondrana navoakan’ny minisitera misahana ny fanajariana ny tany.

Zendana ary mila hitroatra ireo tompon-tany, sady nametra-panontaniana raha izao no atao hoe tany tan-dalàna dradraina eto Madagasikara ka manjary misy lalàna ambonin’ny lalàna indray eto ? Raha ny fanazavana nomen’Atoa Ravelonanosy Bruno, tompon-tany eny an-toerana, dia efa namoaka didy ny teo anivon’ny minisitera tamin’ny taona 2015 fa tsy mahazo mangataka fanalana olona amin’ny taniny ny orinasa tsy miankina. Izao anefa dia voalaza fa lasan’ny Telma ny tany izay ananan’ireo tompon-tany “titre” mazava. Mampiady ny samy Malagasy izao zava-miseho izao, hoy Ravelonanosy Bruno, ary ny tranga toy izao no vao mainka mampitombo ny ahiahin’ny vahoaka amin’ny fisian’ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana malagasy. Mandrahona hidina an-dalambe ny mponina eny Antanandrano hanoherana ny ampihimamba atao amin’ny fananan’ny Malagasy, raha toa ka tsy misy fandraisana andraikitra amin’ity raharaha ity.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT