Raha ny solombavambahoaka Naivo Raholdina no niaro ny vahoaka teny Androhibe mba hahafahana manangana sekoly ambaratonga fototra sy hitazonana ho kianja fanaovam-baolina ilay tanim-panjakana izay efa an’ny Fiangonana Loterana Malagasy ka nahatonga ny fanjakana nampiato ny asan’izy ireo dia mifanohitra amin’izay kosa ny ao Imamba Soavimasoandro.
Anisan’ireo tanim-panjakana nangatahin’ny olona ihany koa mantsy ny tany ao amin’ity faritra ity izay mirefy 15 ha sy 40 a misy ny fiangonana loterana ao an-toerana, saingy arovan’ity solombavambahoaka ity kosa. Mifankahazo tsara sy miara-miasa aminy ireo komitim-piangonana sy loholona ao amin’ny FLM Imamba Soavimasoandro raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina. Tsy manana olana velively amin’ny fiangonana FLM aho, hoy izy satria na ny mpandrindra nasionalin’ny MAPAR Razanamahasoa Christine aza dia mpino eo anivon’ny FLM ihany koa. Rehefa tsy rariny dia tsy ekenay fa rehefa rariny kosa dia mijoro foana ny tenanay hiaro sy hanasoa ny vahoaka, hoy izy.
Pati
na
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.