Nifamotoana teny Ankadimbahoaka misy an’ireo olona rava-trano noho ny nafitsoky ny Filatex farany teo tamin’ny sabotsy ireo andian’olona rehetra rava trano sy mbola ho kasaina ho ravan-trano eto amin’ny manodidina an’Antananarivo, toy ny avy eny Anosimahavelona, Maroroho, Ankazotoho izay efa misy olona enina sahady izao no nampanantsoin’ny mpitandro ny filaminana ho halaina am-bavany noho ny fihetsiketsehana fanoherana nataon’izy ireo
Tsy hoe ny fanatsarana ny tanàna no toherina, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana fa ny fomba atao an-kolaka sy tsy fifampihenoana ary fanomezan-danja ireo vahiny no tsy lasa. Efa nilaza mantsy ny karana sasantsasany, hoy ihany ny fanazavana fa azon’izy ireo vidiana ambongadiny ny zava-drehetra hatramin’ny fitsarana amin’ity resa-tany ity. Manao antso avo noho izany ny vahoaka, hoy ireo niharam-boina teny Ankadimbahoaka, ny mba handraisan’ny fanjakana fepetra hanatsahatra ity toetra mamohehitra ataon’ny vahiny ity fa mampijaly anay vahoaka loatra. Tsy ekenay izany trangan-javatra mahazo ny vahoaka izany, hoy Rasamizafy Cyrille filohan’ny Exopoles/Voarabe, fa mahasaro-javatra. Ny afo efa mirehitra, hoy izy, aza ampiana kitay intsony. Tsy tompon’ny tolona izahay raha tonga eto Ankadimbahoaka ankehitriny, hoy izy, fa taitra talohan’ny olona fotsiny ka manaitra azy ireo tsy ho varivarian’ny lavitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.