Actualités

Ady tany ao Tanambao Morafeno –Toliara Mifanolana ny fokonolona sy teratany vahiny iray


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

Zavatra mampalahelo no mitranga amin'ny fokotany Tanambao Morafeno –Toliara satria misy teratany vahiny no mikasa ny handrava trano maromaro fa hoe : azy hono ny tanŕna ka azony hanitarana sekoly

Tsy mankasitraka izany ny fokonolona ao Tanambao Morafeno ka dia manohitra tanteraka amin'ny heriny rehetra  satria efa am-polotaonany maro izy ireo no nipetraka amin'ireo toerana ireo . Ny zavatra mahavariana ihany koa dia mangina tsy miteny ireo olom-boafidy amin'ity raharaha ity na dia efa nitaraina aza ireo fokonolona maro be ireo ; solombavambahoaka iray sy ireo fikambanana ara-drazana ary ireo sojabe ao Toliara no mba mintsangana miaro ity fokotany ity. Araka izany àry dia nanao fanohanana ( opposition )  ny fokonolona ka tonga eny amin'ny  fitsarana ny raharaha ankehitriny . Ho hita eo izay hivoaka ho mpandresy. Somary mampatahotra ihany ity raharaha iray any Tanambao Morafeno –Toliara ity satria hita taratra tamin’ny firesak’izy ireo fa  tsy hanaiky moramora hoesorina eo amin’ny tany onenany  ireto fokonolona maro be ireto, ary mampanahy fa  tena  mety hiafara amin'ny zavatra  hafa ity raharaha ity. Zava-dehibe loatra noho izany ny hijeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny vahaolana faran’izayhaingana .

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT