Mpianatra an-jatony no tsy afaka hianatra intsony ao anatin’ny Fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Raha araka ny fantatra mantsy dia fanomezan’olona ny tany nanorenana ity sekoly EPP iray ity. Ankehitriny anefa tonga ireo olona milaza ho tompony ka tsy maintsy miala izy ireo. Mpianatra 150 amin’ireo 400 isa mikasa ny hanovo fahalalana ao amin’ity sekoly ity noho izany no voatery hatsahatra amin’ny fianarany. Eo an-danin’izay dia ity EPP iray ity ihany no hany sekolim-panjakana ao amin’ny fokontany Tsilazaina hatreto. Ny taona 1966 ny sekoly no niorina, tsy mbola nisy fanamboarana sy fanampiana mihitsy raha araka ny fitarainan’ny talen-tsekoly. Andrasana ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra mikasika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.