Mihamafy ny fitakian’ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohimanarivo Antsirabe.
Taorian’ny fanesorana ny talem-paritra teo aloha izay voalaza fa nandà ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena teo amin’io toerana io noho ny resaka teratany Maraokanina no ambadiny. Mitaky ankehitriny ireo mponina eo amin’ny fokontany izay voakasika mivantana ny hamindrana io tetikasa io amina toeran-kafa tsy misy mpanajary. Araka ny nambaran’ireo nilaza azy ho solontenam-pokonolona dia manely amin’ny haino aman-jery amin’izao fotoana izao ny lehiben’ny faritra vaovao fa efa tonga ny mpanjaka Maraokanina izay tompon’ny tany ary ny tetikasa izay nahatongavana famatsiam-bola dia tsy maintsy tohizana eo amin’ny toerana izay efa nanaovana azy. Milaza ny tsy hiato amin’ny fitakiany kosa moa ireo mponina ary dia ahiana ho hotakotaka indray no aterak’izao raha tsy misy marimaritra.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.