Nampahafantarina tetsy amin’ny masoivohon’i India tetsy Tsaralàlana omaly ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany nifanaovan’ny Silamo sy ny Hindou eo amin’ilay tempoly Babri- Ram Janambhoomi.
Amin’izao fotoana izao vao nivoaka ny didy nandrasana nandritra ny 150 taona ary mpitsara miisa 5 no namoaka didy mitovy mahakasika izany. Tapaka fa tempoly ihany no haorina eo amin’io tany io saingy nekena kosa ny fangatahan’ny Silamo hanangana trano fivavahana Mosquée mirefy 5 ha eo akaiky eo ihany. Valim-pitsarana mitsinjo ny an-daniny sy ny an-kilany izany, hoy ny Ambasadaoron’i India miasa sy monina eto Madagasikara, Abhay Kumar ary efa samy nanaiky izany ireo mpifanandrina. Nanambara ny tenany fa firenena mandala ny fihavanana sy ny firaisankina i India ary tena anatin’ny soatoavin’izy ireo mihitsy izany ka rariny raha tonga tamin’izao marimaritra iraisana izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.