Actualités

Ady mivady niteraka hain-trano Zaza telo indray namoy ny ainy


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Loza tsy roa aman-tany no niseho tany amin’ny kaominina Amboriala any amin’ny Distrikan’i Vohemar ny talata alina hifoha alarobia teo.

Vokatry ny ady mivady dia zaza telo izay vao enin-taona, efa-taona ary herintaona sy tapany, zanak’ireto mpivady ireto, no namoy ny ainy tao anaty hain-trano. Nifamaly izy ireo ary nifampisintona tany ivelan’ny trano mihitsy na dia maizin-kitroka aza ny andro. Voalaza fa voadona nandritra izany ny jiro tao an-trano ka nirehitra  ilay trano ary nalaky nijoalajoala ny afo. Tavela tao an-trano anefa ireo zaza telo ireo tamin’io fotoana io ary tsy nisy voavonjy noho ny fidedaky ny afo izay nifindra tamina trano efatra hafa. Ankoatra ireo zaza namoy ny ainy dia nisy 20 hafa traboina tamin’ity hain-trano ity.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT