Actualités

Ady lehibe voalohany Teratany Malagasy 4.587 no namoy ny ainy


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

11 novambra 1918-11 novambra 2018 : feno 100 taona katroka omaly ny fankalazana ny fanaovan-tsonia ny fitsaharan’ny ady lehibe voalohany tany Rethondes Compiègne tany Frantsa.

 

 

45 863 ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany ka ny 10% tamin’izy ireo no namoy ny ainy. Izany no antony iarahantsika miombona mankalaza isan-taona miaraka amin’ny Frantsay, ny datin’ny 11 novambra. Natao teo ambany fiahian’i Christophe Gasnot, filohan’ny fikambanana CEFMAD sy ny minisitry ny  raharaham-bahiny, Eloi Alphonse Maxime Dovo, nanome voninahitra ity andro fahatsiarovana ity ny 10 novambra lasa teo ny fahatsiarovana ho an`ireo miaramila malagasy ireo. Nandritra ny lahateniny, nilaza ity minisitra ity fa hotsahivina mandrakariva ny tantara. Ilaina ny mampahatsiahy ny lasa, hoy izy mba hahafahana maka lesona ho amin’ny ho avy, hampanjaka ny firahalahiana lavitry ny herisetra sy ady ary hiaina ao anatin’ny filaminana tanteraka. Ny sekreteram-panjakana Frantsay kosa dia nanasongadina ny fiarovan-tenan’ny maherifo nataon'ny tafika malagasy faha-12 izay nijanona tao amin'ny tantaran'ny mpiasa, ary koa ny fandraisana anjara amin'ny asa sy ny orinasa miaramila (genie militaire). Omaly alahady 11 novambra kosa no nankalazaina teo anoloan`ny Arc de triomphe ny fankalazana ny fanaovan-tsonia ny fitsaharan’ny ady lehibe voalohany notarihan`ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Tokony hampahafantarina amin`ny olona tsirairay ny tantaran`ny firenena. Ny olo-pirenena kosa dia mila mahatsapa ny fitiavana sy fahafoizan-tena nasehon`ireo maherifo tamin`izany satria tsara ho faka tahaka ho an’ny taranaka aty aoriana izany indrindra amin’ny fanamafisana orina ny fandriampahalemana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT